- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBefandrina Avaratra : Nosakanan’ny andian’olona ny làlana

Befandrina Avaratra : Nosakanan’ny andian’olona ny làlana

Tsy nanaiky ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly ireto andian’olona vitsivitsy ka nosokanan’izy ireo ny lalana. Nanomboka ny alakamisy lasa teo, dia tapaka ny làlana mampifandray ny kaominina Ambodimotso ao Befandriana Avaratra amin’ny faritra manodidina azy. Taorian’ny nivoahan’ny valim-pitsarana ka nahavoafonja ny lefitra roa an’ny ben’ny tanana sy rangahy iray mpividy omby, dia nanomboka niseho ny tsy fahafaliam-pon’ny mponina sasany. Raharaha mahakasika fitazonana sy fivarotana omby tsy ara-dalana moa no nahavoasaringotra ireto tomponandraiki-panjakana ireto. Tsy nitazam-potsiny ny mpitandro  ny filaminana fa, nanatanteraka fandaminana avy hatrany. Taorian’izay dia olona 42 no indray vosambotra ary vehivavy ny roa tamin’izy ireo. Nalefa avy hatrany any Antsohihy atao fanadihadiana moa ireto olona voasambotra ireto. Noraisin’ny zandarimaria Sofia an-tànana teto ny famotorana.

Kanto R. ( Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici