Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia anisan’ny nahazoan’ny Zandary ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka filazana fikarohana na » Avis des Recherches « , ireo jiolahy raindahiny niisa sivy, malaza amin’ny fakana an-keriny, any amin’ny disitrikan’Anjozorobe sy Ankazobe, izay nialokaloka sy nandositra taty amin’ny faritra Betsiboka, nandritra ny volana maro. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana, fa olona tsara sitra-po no nahafan’ny Zandary eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, nisambotra sambo-belona, azy sivy lahy, tany amin’ny tanàna atao hoe : Befanoro, fokontan’Ambatolamby, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny herinandro lasa teo iny. Tsy niandry ela ireo mpitandro ny filaminana, fa niroso tamin’ny farahan-dia tsy nisy hatak’andro, ka voasambotra ihany, ireto olon-dratsy ireto. Iny efa an-dalana hihazo eny amin’ny tanànan’i Marotaolana iny, ireo Zandary, izay nitondran’ny jiolahy dia nanao krizy hafahafa ny iray tamin’ireo, ka tsy tana intsony ny ainy no tsy afaka manohy ny asa ratsiny ihany koa. Ao anatin’ny fanadihadiana sy fanohizana ny famotorana ny Zandary hatreto, ary manao ny fikarohana ny jiolahy mbola tsy azo.
Ratantely