- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversBefelatanana : Nifanenjehana Yoongs fa nitsoaka

Befelatanana : Nifanenjehana Yoongs fa nitsoaka

Efa tany Mahamasina vao tratra. Nifanenjehana niala tao amin’ny hopitaly Befelatanana ny mpanakanto Yoongs raha nitsoaka tao amin’ny efitrano nitsaboana azy ny marainan’ny asabotsy teo. Tsy nanao kiraro na kapa fa avy hatrany dia rifatra nitsoaka izy. Saingy toa efa mailomailo koa ny olona niandry azy tao amin’ny hopitaly ka dia raikitra ny fanenjehana. Vatan-dehilahy maromaronvao nahatazona ity artista ity ary dia tafaverina soa aman-tsara tao amin’ny toeram-pitsaboana ihany izy. Tsiahivina fa tetsy Ambohipo dia nanariva andro mihitsy ny fangalàn’ny fianakaviany azy tao an-tranony mba ho entina eny amin’ny hopitaly, ny zoma teo. Nilaina mpitandro ny filaminana ary efa alim-be izay vao azo nivoaka ny tranony ity artista malaza ity ary nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Befelatanana. Fa mararin’ny inona tokoa moa izany Yoongs? Hatreto aloha dia mijanona ho tsiambaratelon’ny fitsaboana izay mety ho mahazo azy. Raha ny zava-misy tao anatin’ny dimy andro dia nanao vidéo fanehoan-kevitra mivantana Yoongs ary mihamahery fiteny sy mihalalina hatrany ny fijeriny ny zava-misy ankehitriny. Niverina ara-tantara momba ny fanjanahan-tany tamin’ny andron’ny Galliéni ny lehilahy ary nambarany fa mbola mitohy hatramin’ny vanim-potoana ankehitriny izany. Nolalininy ny horonan-tsary fanadihadiana efa tany aloha be tany ary vao mainka nampisafoaka azy ny votoatin’izany. Dia teo no azo heverina fa niainga ny fanahian’ny fianakaviany fa mirediredy Yoongs ary mizotra any amin’ny aretin-tsaina. Ny zoma dia niantso mpitandro ny filaminana ny fianakaviany mba hanampy azy ireo haka an’I Yoongs mba haterina eny amin’ny toeram-pitsaboana. Nizara ihany ny fomba fijerin’ny mpanara-baovao mahakasika an’ity manjo ilay mpanakanto ity. Ao no mihevitra fa mitondrà amin’ny fo be loatra ny politika misy izy hany ka lasa miteraka aretin-tsaina hoazy. Ny fianakavian’ny artista aloha dia nanamafy fa manana olana manokana izay tsy misy hidiran’ny politika izy ary mila ampiana mba hiverina amin’ny tontolon’ny kanto tsy ho ela. Misy koa ny olona no mahita fa endrika fanapenam-bava an’i Yoongs ny zava-miseho satria betsaka amin’ny fanehoan-keviny no mitombina. Nisy koa ny nahita fa na nizotra tany amin’ny fitsaboana na nizotra tany amin’ny fisamborana ny momba ny artista voakasika. Mety ho ny fahatsapan’ny fianakaviany an’izay no nandraisan’izy ireo maika ny fanapahan-kevitra maika ny nanisaka an’i Yoongs tamin’ny tambajotra sosialy ary nitondràna azy hotsaboina. Ny tsapa dia efa hitakitan’ny artista voakasika avokoa izay manjo azy ankehitriny ary tsy misy eken’ny sainy matoa izy mbola nitsoaka indray tetsy amin’ny toeram-pitsaboana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici