- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBefelatanana : Nisy nandroba ny karaman’ny mpiasa

Befelatanana : Nisy nandroba ny karaman’ny mpiasa

Lasan’ny jiolahy ny volabe tokony ho karaman’ny mpiasa. Ny faramparan’ny volana desambralasa teo no nisehoan’ity asan-jiolahy ity raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Vola manodidina ny40 tapitrisa ariary no voaroba nandritra ny fanafihana, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao etsy anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy. Raha ny fantatra dia isan’ny tena himasoan’izy ireo ity raharaha ity, mitovy lenta amin’ny fanadihadiana ireo heloka bevava izay nanintona ny sain’Antananarivo tamin’ny volana desambara lasa teo. Tsy inona izany fa ny raharaha Ambohimailala sy Behoririka. Itsy voalohany, raha hiverenena kely, dia mahakasika ny fahafatesan’olona telo izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Efa lasa lavitra ny fanadihadiana momba izany ary tonga hatrany amin’ny faritra aza, raha araka ny fanazavana azo tao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Saingy mbola ao anatiny tanteraka izy ireo ka nijanona ho tsiambaratelo aloha izany. Ny faharoa indray kosa dia ny fitifirana amin’ny andro antoandro teratany sinoa iray, indrindra koa teo imasom-badiny no nanatontosana an’izany. Io indray dia heverina fa fifankahalàna eo amin’ny samy sinoa no mety ho ao ambadiny. Nisy ny vola ho solon’ny tambin-karama izay hatolotry ny fianakavian’ny maty ho an’izay manome vaovao. Saingy mbola tsy nisy vokany aloha hatreto ny amin’izany. Nisy ihany koa ny “portrait-robot” na kisarisary avy amin’ny olona nahita ilay olon-dratsy nitifitra. Mbola ao anatin’ny fitadiavana ankehitriny ny manam-pahaizana ao amin’ny fanadihadiana heloka bevava. Raharaha telo izany izao no tena mafana etsy amin’ny biraon’ny pôlisy etsy Anosy ary andrandrain’ny maro ny mety ho valin’ny fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser