- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversBefelatanana : Noroahin’ny dokotera ny mpitandro filaminana

Befelatanana : Noroahin’ny dokotera ny mpitandro filaminana

Fanindroany izay tao anatin’ny roa andro no tezitra ny mpitsabo sasany ary nivoaka ny fahanginany. Ny antony dia noho fidiran’ireo mpitandro ny filaminana ao anatin’ny faritry ny hopitaly ary nanapoaka etona mandatsa-dranomaso. Mazava hoazy fa manakorontana ny toeram-pitsabona izany ary mety mampitombo ny fahavoazan’ny marary izay tsaboina. Nivoaka ny dokotera ary nandroaka ny mpitandro filaminana. Toa ny mahazatra dia mbola be famaliana sy saika hampiseho hery indray ireo farany ary efa nanosika ilay mpitsabo vavy aza. Saingy tsy nilefitra koa io ary ny niafarany dia niala tsimoramora ihany ny be baoty isany. Betsaka izay marary sempotry ny lacrymogène izay ary ny mahatalanjona dia tsy takatry ny mpanome baiko ve ny hoe misy faritra mba mila paik’ady hafa ny fandroahana olona mitokona fa tsy manao tsianjery maimbo amin’ny lacrymogène. Efa nisy zazakely maty sempotra, mpianatra torana, marary anaty hopitaly izay sahirana mafy noho ny entona mandatsa-dranomaso ; dia mbola mitohy ihany  ny tsy fitandremana. Ekena fa izay ilay asa fa mba mila lanjalanjaina ihany ny zavatra hatao satria fiarovana ny ain’olona no tanjona voalohany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici