Nianoka tao anatin’ny fety nilamina ny kaominin’i Beforona, saingy tsy mba mahare vaovao noho izy tsy manana anjara amin’izany haino aman-jery izany, na dia tanàna amoron-dalana aza sady sompitry ny sakamalao, noho izy manana velaran-tany betsaka amin’ity voly ity. Ny olana anefa dia mora ny hakan’ireo mpambogadiny izany vokatra izany, satria 300ar ka hatramin’ny 500ar monja ny vidin’ny iray kilao. Maniry mafy ny mponina any an-toerana ny mba hisian’ny jiro hanazava iny tanàna iny, satria efa hatramin’ny efa-bolana mahery izao no tsy nisy izany intsony. Tamin’ny 05 febroary 2006 mantsy no nirehitra farany, tamin’ny 06 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina io. Izao dia ny efa kely azo io indray no tapaka tsy nisy intsony ka miteraka olana amin’ ny antony maro samihafa, indrindra fa ny eo amin’ny fitaizana ny ankizivavy. Mivelona amin’ireo renirano dimy (reniranon’i Beforona, Iharana, Ilazana, Iaroka, Sahazarina) mandalo ao aminy ny mponina, noho ny tsy fahampian’ny rano fisotra madio tokony hiainan’ny olona. Efa ahiana amin’ireo karazan’aretina mety hitranga anefa izany noho ny fisian’ny fandripahana ny ala tsy misy fijanonana ataon’olona. Mbola vesatry ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny mpampianatra FRAM noho izy ireo mbola miankin-doha aminy mandritra ny taom-pianarana, koa antenaina fa hisy vahaolana homen’ny fanjaka azy ireo. Tsy mba manana tanimbary azo volena izy ireo kao mahatonga ireo ray aman-drenin’ny mpianatra misedra olana. Mahatonga ireo tanora miala an-daharana amin’ny fianarana izany, manoloana ny olana maro samihafa. Miandrandra fivoarana vaovao izy ireo amin’ity taona ho avy ity.
CATHY