- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka : Dahalo an-jatony nanafika ny tobin’ny zandrary

Befotaka : Dahalo an-jatony nanafika ny tobin’ny zandrary

Nahery vaika ny fanafihana nataon’ny dahalo tany an-toerana. Tsy naharesy tosika azy ireo ny mpitandro filaminana

Raikitra ny fifampitifirana tany amin’ny tanan’ i Befotaka tamin’ny zoma alina lasa teo. Dahalo an-jatony no tonga nanafika ny tanàna. Tsy nahatohitra ireo mpitandro filaminana tao an-toerana ka voatery nandeha niala. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny basy efatra tao amin’ny toby : kalaky iray, PA roa ary Mas 36 iray. Ankoatra izany dia bala marobe efa mihoatra ny 300 no nentin’ireo mpanafika.

Tokony ho tany amin’ny 8 ora alina tany no tonga ireo jiolahy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa io andron’ny zoma io, zandary efatra no tao amin’ny toby hiambina izany. Ireo sisa hafa kosa, izay notarihan’ny CB, efa lasa nandeha niasa tany amin’ny toeran-kafa nanatanteraka iraka.

Paik’ady. Ankeviny efa fantatr’ireo dahalo izany zavatra izany ka tonga tokoa izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. Tany amin’ny tsena ry zareo no nivantana nanao fandrobana. Raha nahare izany zavatra izany ny roa tamin’ireo zandary dia nandeha nijery ny zava-nisy. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny roa. Tsy naharesy tosika ny dahalo anefa ireo mpitandro filaminana satria lany ny bala teny aminy. Nihevitra ny niverina tany amin’ny birao fiasany izy ireo haka bala. Tsy tafiditra intsony anefa fa efa nisy fifampitifirana koa tany. Tsy fantatra na paikady efa nataon’ireo malaso ity fanafihana tsena ity na ahoana mba hampizarazara ireo mpitandro filaminana. Raha izany, karazana fandrebirebena fotsiny ihany ny teny an-tsena fa ny toby no tena nokendrena. Tsy nahatohitra ireo mpanafika marobe koa ireo roalahy nijanona ka hany hery lasa niala. Ny vady aman-janak’ireo zandary miasa any an-toerana moa dia voalaza fa raha miseho ny toe-javatra sahala  amin’izao dia misy ny fepetra arahiny. Afaka niala ihany koa izy ireo araka izany. Tamin’izay fotoana izay no naka ireo fitaovam-piadiana ireo jiolahy.

Rehefa maraina ny andro dia fantatra fa nisy roa tamin’ireo dahalo no maty ary efa nalain’ny namany ny fatiny. Ankoatra izany, olona iray ihany koa no namoy ny ainy. Taorian’io asan-dahalo mahatsiravina io dia efa miatrana avokoa ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Nelefa any avokoa ireo izay voatendry amin’ny “operation Fahalemana” hanatevin-daharana azy ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici