- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka : Mirongatra ny asan-dahalo, 900 Ar ny kapoakan’ny vary

Befotaka : Mirongatra ny asan-dahalo, 900 Ar ny kapoakan’ny vary

Noho ny tsy fahampiana isa eo amin’ny mpitandro filaminana any amin’ny distrikan’i Befotaka dia migalabona ny dahalo ary izy ireo indray aza amin’izao no mampihatra ny lalàna sy misambotra olona ary manasazy sy manao fisavana, raha ny fanazavan’ny mpitondra fivavahana iray lasibatry ny malaso tany an-toerana. Nambaran’ity pasitora ity, izay anairany ny sain’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa ny dahalo ekipan-dRemenabila no mamehy sy tompon’ny tanàna amin’izao, ka mandry an-driranantsy ny vahoaka manoloana izany, tsy afa-mamokatra intsony. Amin’izao ora anoratanay izao dia tafakatra 900 ariary ny kapoakan’ny vary, izay mbola ifampitadiavana.

Manao « tenue de combat » miaramila. Any amin’ny kaominina Beharena dia tsy vitan’ny mandroba fananana fotsiny fa mamono mihitsy ireo dahalo. Misoloky ho mpitandro filaminana, manao fanamiana ara-dalàna, ihany koa ireo olon-dratsy miaraka amin’ny basy, mampihorohoro eran’ny tanàna. Teren’ireo olon-dratsy tsy hahazo hivoaka amin’ny alina ny mponina ka migalabona ireo malaso amin’ny asa ratsy. Manoloana izany dia mangataka ny mponina any an-toerana amin’ny hametrahana tobina miaramila « compagnie », satria rehefa lasa ireo tafika manao fisafoana sy fampandrian-tany dia miverina manohy ny asa ratsiny ny malaso.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser