- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka : Nifanandrina ny dahalo sy ny zandary ; iray maty, roa naratra

Befotaka : Nifanandrina ny dahalo sy ny zandary ; iray maty, roa naratra

Nitrangana fanafihan-dahalo nivaivay indray tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ankapilaboara, fokontany Ilaza, ao amin’ny kaominina Befotaka ny herinandro teo. Araka ny fantatra, dahalo nahatratra teo amin’ny 30 lahy teo, nirongo ody gasy sy basim-borona no nandrava ity tanana ity. Lasa tamin’izany ny omby nahatratra am-polony maro tany ho any. Vantany vao nahazo filazàna ireo zandary sy ireo kalony, izay efa teny am-panaovana fisafoana ireo kizo tany an-toerana dia nirohotra nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto malaso ireto. Tao anatin’izany dia nampandrenesina ihany koa ny Tafika, hanampy ireo mpitandro filaminana efa eny an-kianja. Fantatra mantsy, araka ny fampandrenesana azon’izy ireo fa nandeha nizotra nianavaratra ny dian’ireo mpanafika. Ny harivan’io andro nisian’ny fanafihana io ihany dia nifanehatra teo amin’ny kizon’Antsingilibe ny roa tonta : ireo andian-dahalo tetsy ankilany ary ireo mpanara-dia tetsy andaniny. Toerana izay marihana fa sisintany ifandraisana amin’Ankilizato. Raikitra avy hatrany fifandonana mahery vaika.

Vao nahatazana ireto mpanenjika fotsiny mantsy iretsy olon-dratsy avy hatrany dia nampiasa ny basy teny an-tanan’izy ireo. Nirefodrefotra ny basy. Tsy naharesy tosika ireto mpanara-dia anefa ireo mpanafika. Nisy tamin’izy ireo mihitsy aza no maty voatifitra. Dahalo iray niravaka moara, hoy ny fampitam-baovao azo. Nisy anankiroa kosa no naratra mafy. Saingy mbola afaka nitsoaka ihany moa ireto farany, nanaraka ireo namany.

Azo teny am-pelan-tanan’ireto farany araka izany ny omby miisa 41 ary efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa. Tetsy andanin’izay, mbola nanohy nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka ireto mpitandro filaminana. « Ny fifanomezan-tànana eo amin’ny zandary sy ny Kalony no hery iray lehibe nahatonga ny vokatra tahak’izao. Ary manentana hatrany ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao sy tagnamaro, entina hamongorana ny ratsy. Miezaka hatrany ny Zandarimaria hametraka ny filaminana maharitra ato amin’ny faritra Menabe » araka ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Morondava.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici