- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBegogo-Maevatanàna : Omby miisa 16 nalain'ny jiolahy

Begogo-Maevatanàna : Omby miisa 16 nalain’ny jiolahy

Efa zatra lalan-dririnina, araka ny fomba fiteny tokoa, ny malaso amin’ny fangalarana omby, any ka tapa-dalan-kaleha tamin’ity indray mitoraka ity, rehefa niditra am-boletra tao amin’ny fokontany Begogo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano,ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny alin’ny faha 04 hatramin’ny faha 05 volana Jona 2024 teo, tokony tamin’ny iray (01) ora sy sasany maraina tany ho any ny nisehoan’izany. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia omby miisa 16 no nalain’ny jiolahy an-keriny tao amin’io fokontany voalaza etsy aloha io, izay an’Atoa Rakotondrina sy ireo olona monina ao ihany. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra ny isan’ireo malaso nanao fanafihana niseho tao Begogo, fa nirefodrefotra sy nanakohako eran’ny tanàna fotsiny ny feom-basy, mba hoentina handemena ny olona tsy hasahy hivoaka ny tranony, raha ny angom-vaovao voaray hatrany. Rehefa Vita ny tian’ireo malaso natao tany an-toerana, tonga dia nitari-dositra nalaky sy nitondra ny omby halatra izy ireo, izay nizotra nianavaratra nihazo ny lalana makany amin’ny Kaominina Andranomamy, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny iny. Tsy niandry ela ihany koa ny Zandary tao an-tapon-tanànan’i Tsararano, rehefa nahare ny fanafihana, fa niroso tamin’ny farahan-dia, izay notarihin’ny G1C Carol niaraka tamin’ireo fokon’olona. Nanao ny sakana sy fiambenana kizo fandalovan’ny omby halatra noentin’ny dahalo ny Zandary roa, avy ao amin’ny Poste fixe Anosikely. Nohezahana nampandrenesina nalaky ihany koa ny poste fixe ny Zandary miisa telo hafa, any amin’ny tapany avaratra ny disitrikan’i Maevatanàna, toy ny any Bevilany sy Berivotra 5/5, ary Ambalanjanakomby, mba hanao ny  » Bouclages. » Teo no nihazakazaka teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana niseho, ny Zandary roalahy , notarihin’ny GP2C Tsarajoro, nanamarina ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana. Tsy tafavoakan’ny faritra amin’ilay avaratra kaominina ambanivohitra Tsararano ireo malaso no tratran’ny velam-panadrika nataon’ny mpitandro ny filaminana, ka tsy afaka niroso nanohy ny dian’izy ireo niaraka amin’ny omby halatra, fa nitsoaka avy hatrany namonjy lalan-kafa, raha azo sambom-belona niaraka tamin’ireo omby ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe: Fely dit Ankazomahitsy, naman’ireo olon-dratsy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny lehiben’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna, rehefa nahazo tatitra mahakasika ny zava-nitranga. Ny marainan’ny Alarobia faha 05 volana Jona 2024 teo, tokony ho tamin’ny fito Ora no natolotra, teo am-pelatanan’ny tompony ireo omby miisa 16, sady naseho imasom-bahoaka ihany koa ilay jiolahy voasambotra tamin’izany. Noentina niakatra aty Maevatanàna moa i Fely, ilay jiolahy azo sambom-belona ho hanokafana fanadihadiana. Marihina fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy, nandritra ny fifanjevona tao Begogo. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana an’ireo malaso tafaporitsaka. 

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici