Sasahana izay vola azo amin’ny fanafihana. Izay no fidiram-bolan’ilay rangahy. Manana basy vita gasy izy ary io no noketrehany hamelomana ny vady aman-janany. Na izany nampanofaina na koa nampindramina ny dahalo ary zaraina sasaka izay azo amin’ny fandrobàna avy eo. « Taorian’ny angom-baovao azon’ny zandarimaria dia fantatra fa misy lehilahy iray mampanofa basy, sy miray tsikombakomba amin’ny dahalo sy olon-dratsy manome fitaovana azy ireo ary misasaka izay azo amin’izany. Nosavaina ny tranony ka sarona ny basy iray 25 sm mifahana kalibra 12 vita amin’ny vy sy viraty. », raha araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Fanindroany izay no nisy tranga fisamborana olona amin’ny fitazomana basy tsy ara-dalàna ary samy basy vita gasy avokoa. Ny 22 jiona teo, iray no tratra tao an-tranon’ny lehilahy iray, mbola tao Behenjy koa io no nosamborin’ny zandary. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa rahahin’ilay efa nidoboka am-ponja tamin’ny fahatratrarana basy ihany izy io. « Samy monina ao amin’ny fokontany antsoina hoe Tsiazompaniry, kaominina ambanivohitra Sabotsy Namatoana izy mirahalahy » raha araka ny zandary hatrany.
D.R