- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBehenjy : Nataony « shooting » ny vadiny dia novonoiny ho faty

Behenjy : Nataony « shooting » ny vadiny dia novonoiny ho faty

Sary tsara tarehy marobe no hita farany tao amin’ny findain’ilay ramatoa 28 taona rehefa nosavain’ny zandary mba hanaovana fanadihadiana. Izany dia sary farany nalaina talohan’ny namonoana ho faty azy. Ny mpaka sary indray dia tsy iza  fa ny vady mariaziny ihany ary mbola io ihany koa no namono nahafaty avy eo. Toa izao ny zava-nitranga, ny alarobia teo dia nentin’ilay rangahy niala vao maraina teto an-dRenivohitra ny vadiny mba handehandeha haka rivotra sy hampifaly tena eny amin’ny RN7. Teo akaikin’i Behenjy, nisy sampanana niala ny lalam-pirenena ary nivadika lalan-dratsy, antsoina hoe Antsonjony ilay tanàna. Sady mangina no tsy misy olona mandalo mihitsy ny toerana izay nosafidian’ilay rangahy. Teo izy dia nampifaly ny vadiny tokoa ary dia natao ny « shooting » na ny fangalàna sary marobe mba hatao fahatsiarovana. Kinanjo izay tokoa ny fahatsiarovana…farany. Novonoiny ho faty ilay ramatoa tamin’ny alàlan’ny vely maritoa indimy teo amin’ny lohany. Rehefa izay dia nantsoiny avy hatrany ny fianakaviam-badiny (ramatoa) ary nilazany fa nisy efa-dahy namono ilay vehivavy raha nandeha nivalan-drano ary dia maratra mafy. Teo no nikoropaka ny fianakaviana ary nanao izay fomba haingana nandehanana teny an-toerana. Teny an-dàlana anefa izy ireo no tonga saina tampoka ny amin’ny hoe efa in-droa nopoizinin-drangahy io vadiny io (ny fianakaviana no nilaza an’io) ary nipaika tany amin-drangahy avy hatrany ny fanahiana ho namono. Naka zandary teny Ambatofotsy avy hatrany ireo mba hijery ifotony izay zava-mitranga miaraka amin’izy ireo. Inona tokoa fa rehefa teny an-toerana, dia nitombina ny ahiahy. Voalohany, efa maty ilay ramatoa. Faharoa, rehefa nosavaina ny moto izay nandehanan’izy mivady dia nahitana maritoa izay mbola misy dian-drà ary tsy vitan’izany fa mbola hita teo akaiky teo ny lamba izay namafàna ny rà tamin’ny maritoa. Nosamborin’ny zandary avy amin’ny borigady Behenjy avy hatrany ilay rangay ary nofatorana rojovy. Hatramin’ny omaly izy, dia mbola notazomina tao ary raha ny vaovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia efa nanaiky ny helony izy. Isan’ny tsikaritry ny zandary koa fa efa niala ny peratra mariazin’ilay rangahy ary nafeniny tao am-paosy. Ny mariazin’izy roa ireto dia nakotroka ary nivoaka gazety iray mihitsy tamin’ny herintaona…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici