- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBehenjy RN 7 : Srpinter taxi-brousse nivadika, ankizy iry maty, olona maromaro...

Behenjy RN 7 : Srpinter taxi-brousse nivadika, ankizy iry maty, olona maromaro maratra

Omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 12 ora sy sasany sy tamin’ny iray ora, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny lalam-pirenena faha-7, teo amin’ny PK 32,800, eo amin’ny toerana antsoina hoe Tsinjony,na koa hoe Mandikanamana. Vokany, ankizy iray efatra taona no fantatra fa namoy ny ainy. Ankoatra izany, olona maromaro no fantatra fa maratra ary efa nentina namonjy hopitaly. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary misahana ny loza amin’iny lalana iny, fa tao anaty fiolanana no nisy ny loza. Re tamin’izany fa nisongona fiara iray teo alohany ity Sprinter ity.rehefa afaka tamin’izany anefa izy, nisy fiara iray nitsidika. Toa hoe niala izany ilay mpamily ka izany no nampivadika ny fiara teo fovoan’ny arabe. Nitsosina tamin’ny ilany havia ilay izy teo afovoan’ny lalana. Tamin’izany no nahafaty ilay zaza sy naharatrana olona maro.

Teo no ho eo nifandrimbona ny rehetra namonjy ireo niharan-doza. Nisy koa ny fira iray, namindrana ireo mpandeha.

nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici