Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Ain’olona iray indray no nafoy ary am-polony ireo olona naratra mafy. Izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ny samy fiara fitateram-bahoaka, omaly maraina, teo Behenjy. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no nitranga ity loza mahatsiravina ity, teo an-tampon-tananan’i Behenjy mihitsy. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia fiara iray avy any Atsimo, no tsy fantatra izay nahazo azy fa avy hatrany dia nifaoka olona maromaro teny an-dàlana, nidofotra teny amina fiara iray nijanona nanala entana, ary namarana ny diany tamina fiara roa hafa teo akaikin’ity farany. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nisy mpamilina taxi-brousse variana namaha ny entana teny ambony tafon’ny iray tamin’ireo fiara nijanona. Voafaoka niaraka tamin’ny fiarany ity farany ary dia maty tsy tra-drano. Ambonin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza, dia nisy olona maromaro ihany koa naratra vokatr’ity loza ity. Tsy lazaina intsony ny fahapotehana teo amin’io fiara telo voadona sy ilay nandona. Raha ny fanazavàna azo, dia toa hoe saika handeha hisongona fiara teo alohany ity taxibrousse “adala” ity, kanefa nisy fiarabe hafa nipoitra tampoka. Hany herin’ny mpamily dia namantana ny fiara tany amin’io olona teny an-dàlana sy tany amin’ireo fiara hafa nijanona teo amoron-dàlana. Iaraha-mahalala anefa fa anisan’ny toeram-pijanonan’ireo taxi-brouse maromaro mandeha mianatsimo na avy any Atsimo handeha hiakatra ity toerana ity, izay eo amin’ny 30 km miala ny renivohitra. Mazava ho azy , amin’ny maha toeram-piantsonana izay dia marobe ireo olona mifamezivezy eny an-toerana. Tsy mampilaza tokoa ny loza rehefa ho avy fa tamin’io fotoana io dia maromaro ihany ireo fiara fitateram-bahoaka nijanona teo, antony nahabetsaka ireo olona naratra sy nisian’ilay namoy ny ainy. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo zandary nizaha ifotony ity loza ity, ary nanokatra ny fanadihadiana. Nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra, ary ireo voa mafy dia voatery nalefa notsaboina taty an-drenivohitra.
m.L