Taxi-brousse iray no nifanehitra indray tamin’ireo mpanakan-dàlana, ny alahady vao mangiran-dratsy teo Behenjy. Naratra voatifitra ny mpamily. Vola an-tapitrisany mahery no lasan’ireo olon-dratsy.
Mirongatra dia mirongotra indray ny fanakanan-dalana tamin’iny faran’ny herinandro iny, indrindra fa tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Amin’izany, ny basy sy ny tora-bato no miteniteny avy hatrany. Ny alahady, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any, taxi-brousse avy any Morondava, nitodi-doha nanhakaty Andrenivohitra no nataon’ireo jiolahy mpanakan-dalana lasibatra, teo Tsinjony, any amin’iny faritra Behenjy iny. Nisy valo ireo jiolahy raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Tifitra varivaraka avy hatrany no niantefa teny amin’ity fiara ity. Naratra voan’ny bala vokatr’izay ny mpamily, niaraka tamina mpandeha roa teo aloha. Vokatr’izay, tsy afa-nihetsika intsony ilay fiara ka nanararaotra ry zalahy. Saika tapitra voaroba avokoa ireo mpandeha rehetra tao amin’ity taxi-brousse ity. Lelavola sy entana sarobidy maromaro no lasan-dry zalahy, mitentina eo amin’ny efatra tapitrisa mahery teo ho eo. Fantatra ihany koa fa nisy basy iray lasan’ireo olon-dratsy. An’ny iray tamin’ireo mpandeha tao anatin’io fiara io, ity fitaovam-piadiana ity. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja no nanaovan-dry zalahy ny asa ratsiny. Rifatra nitsoaka avy hatrany moa izy ireo taorian’izay. Tsiahivina fa ny alin’ny sabotsy nifoha alahady teo ihany koa no nahavoa ireo fiaran’ny Ministeran’ny asa vaventy, niaraka tamin’ny fiara nitondra ireo mpanao gazety niaraka tamin’ny ministra, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny hatrany, taty akaikin’Analamanga Park. Fiara maromaro araka izany no lasibatra tamin’io alina io, ambonin’itsy voalohany, raha ny fitantaran’ireo mpanao gazety nanatri-maso. Kamiô ny roa ary fiara “sprinter” ny iray. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo zandary amin’izao fotoana, miaraka amin’ny fikarohana ireto andian-jiolahy mpanakan-dàlana ireto.
m.L