- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBehenjy : Tovolahy nanaikitra sy nihinanana sofin’olona

Behenjy : Tovolahy nanaikitra sy nihinanana sofin’olona

Hafahafa ! Tovolahy iray monina any amin’iny kaominina Behenjy iny no nosamborin’ny fokonolona sy naterina tao amin’ny biraon’ny zanatobimparitry ny zandary tany an-toerana fa hoe nanaikitra sy nihinana sofin’olona, ny voalohandohan’ny herinandro teo.

Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambohitsambaina, fokontany Ambatomitsangana, no nitranga ity trangam-piarahamonina somary hafa kely ity. Ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nodarohan’ity tovolahy iray 27 taona avy hatrany ity lehilahy lehibe iray nifanena taminy. Tsy fantatra hoe inona no antony. Tsy vitan’izay nodarohiny anefa fa avy hatrany dia norambasan’Ingahirainy ny sofiny havanana ary nororitiny hiala teo amin’ny toerana mihitsy. Rimbina tanteraka vokatr’izany izay taovam-pandrenesana izany ary ny loza dia notsakotsakoin’ity tovolahy nanaikitra ary nateliny soa aman-tsara, hoy ny vaovao azo hatrany. Tsy nijanona teo anefa ny habibiany fa mbola saika noloarany ihany koa ny mason’ity rangahy efa bory sofina, saika mbola hohaniny ihany koa. Soa ihany, hoy hatrany ny vaovao, fa tonga haingana ny fokonolona rehefa nahita ny rà nijininiaka sy ny antso vonjin’ilay rangahy. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany ity farany ary nentina nihazo ny tobin’ny zandary. Ilay rangahy naratra kosa nentina nihazo haingana ny tobim-pitsaboana teo an-toerana.

Tamin’ny fanadihadiana ity tovolahy ity moa no nahafantarana fa nandray zava-mahadomelina izy, herinandro talohan’izay, ka nahatonga ny fahaverezan-tsainy sy nanaovany izany habibiana izany. Heverina fa atolotra ny Fampanoavana ato ho ato moa ity tovolahy ity, rehefa vita ny fanadihadiana azy, hoy ny fampitam-baovao. Nametraka fitoriana noho ny vono sy ratra niniana natao taminy kosa ilay niharam-boina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici