- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka – Alarobia : Fiara roa saika nirehitra

Behoririka – Alarobia : Fiara roa saika nirehitra

Sendra ny vintana mbola nitsiky ny tompon’ireto fiara roa ireto omaly, tetsy Behoririka sy teny Alarobia. Raha saika hidadeda handrava tanteraka ireto fananana mantsy ny afo, izay samy nipoitra tao amin’ny fitoeran’ny môtera dia avotra nialoha ny fotoana avokoa izany, ary azo heverina fa samy « court-circuit » no nahatonga izany. Ny somary nahagaga ihany koa dia samy tao anaty fitohanana avokoa izany rehetra izany no niseho. Ilay tetsy Behoririka dia efa nisy lela afo nivoaka mihitsy avy tao amin’ny môtera. Samy nikoropaka namonjy izany avokoa ireo nanatri-maso, ary raha tsy nampiasaina haingana irony tavoahangy famonoana afo irony dia saika zava-doza no naterany. Toerana isan’ny be olona rahateo teny an-toerana. Fa ora vitsy taorian’io indray, raha tao anaty fitohanana sy teo am-piakarana iny lalana Alarobia iny ny fiara kely iray no namboka nidona-tsetroka ny avy tao ambanin’ny “capot”. Soa ihany fa mailo avy hatrany ny mpamily, naninga izany ary nanala ny tariby teo amin’ny “batterie”, fa raha tsy izany ihany koa dia nidedaka ny afo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici