- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka, Ankaditapaka, Anosibe : Andian’ankizy mirongo zava-maranitra mampihorohoro ireo mpandalo

Behoririka, Ankaditapaka, Anosibe : Andian’ankizy mirongo zava-maranitra mampihorohoro ireo mpandalo

Manodidina ny 12 taona no ho miakatra eo izy ireo, araka ny filazan’ireo mponina ary manao andiany any amin’iny folo mahery any, manendaka sy manao herisetra amin’ireo mpandalo amina faritra maro eto an-drenivohitra, toy ny eny manodidina ny ranomaimbo Behoririka iny, Ankaditapaka ary Anosibe. Karazana zava-maranitra toy ny antsy sy « poignard » no eny an-tanan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny izy ireo, araka ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany, izay tsy mivoaka raha tsy efa hariva na efa manomboka maizina iny ny andro. Tsy mifidy fa dia izay sendra azy ireo eny an-dalana dia lasibatra avokoa. Raha dinihana lavitra, hoy hatrany ny fitantarana dia toa ireny andian’ankizy mangataka ireny fahita eto an-drenivohitra ireny izy ireo ka tsy mahataitra loatra izay mahita ny asa ratsy ataony, raha tsy efa lasa mitsoaka ka miantso vonjy izay voa. Toy ny nahazo mpivady iray teny amin’iny faritra Anosibe iny, izay tsy afa-nihetsika fa voambana antsy. Ny sasany kosa etsy andanin’izay misava ny paosy sy maka izay zava-tsarobidy teny amin’izy ireo. Ny amin’iny faritra Ankaditapaka iny indray dia saika lasibatra avokoa mpianatra mody hariva na handeha hamonjy fianaran-kariva, torak’izany ihany koa ireo olona sendra tratr’alina eny amin’iny faritra Behoririka iny.

Raha ny fantatra dia efa tonga any am-poto-tsofin’ireo pôlisy misahana ireny faritra ireny ity tranga ity. Antony nanosika ireo pôlisy avy etsy amin’iny boriborintany fahatelo, nanao hetsika manokana, misafo ireo toerana voalaza fa mafampana amin’ny resaka fanendahana. Nahitam-bokany rahateo io hetsika satria raha ny fantatra dia efa nisy roa tamin’ireto andian’ankizy ireto no efa voasambotr’izy ireo teny Ankaditapaka. Voalaza tamin’izany fa isan’ireo ankizy mpanao herisetra sy ny mpanendaka ireo mpianatra eny an-toerana ry zalahy ireto. Tsy mijanona eo anefa izany, raha ny fanazavàna azo fa mbola eo am-pitadiavana ireo namany hafa ireto mpitandro filaminana ireto.

Fa amin’izay resaka tsy fandriampahalemana izay hatrany dia isan’ny mampikolay ny mponina eny amin’iny Ankadifotsy sy ny manodidina iny ihany koa ny resaka vaky trano misesisesy ambonin’ny fisian’ireo andian’ankizy ireto. Ny hirarian’ny rehetra araka izany dia mba hitohizan’ny ezaka ataon’ireo pôlisy fa mahatsiaro mijaly tokoa ireo mponina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici