Nisahotaka tsy nisy ohatr’izany ny olona teny amin’iny faritra Behoririka iny, omaly antoandro. Efa niely mantsy ny feo fa misy fanafihana mitam-piadiana nitranga teny an-toerana. Tsy izay anefa no zava-nisy …
Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo ho eo, teo Behoririka, iny lalana mihazo an’Antanimena ambany iny. Olona misavoritaka, misomebiseby, mandositra sy raiki-tahotra mihitsy aza ny sasany. Tetsy andanin’izay, mpitandro filaminana marobe no hita mifamezivezy etsy sy eroa. Voalaza fa hoe nisy fanafihana nitranga teny an-toerana, ary mpivarotra iray no lasibatra tamin’izany. Nitsoaka ireo olon-dratsy ary nifanenjehan’ny pôlisy. Tsy dia izay loatra anefa no nitranga, raha ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny pôlisy, misahana iny faritra iny. Raha ny fanazavana azo hatrany dia mpanendaka roa lahy, tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny no nifanjehan’ny pôlisy teny an-toerana, rehefa nisy nampandre mahakasika izany izy ireo.
Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana izao tokoa dia samy nametraka paikady tsirairay entina miady amin’izany sy miaro ireo vahoaka sy ny fananany, ireo kaomisaria valo teto an-drenivohitra. Anisan’izany ny fisafoana na andro na alina, ary fametrahana mpitandro filaminana tsy manao fanamiana, misafo ireo elakelan-trano sy toeram-piantsonan’ny taxi-be. Nisy an’izay mihitsy teny amin’iny faritra Behoririka iny, raha ny voalaza fa teo ambany mason’ny iray tamin’ireo pôlisy tsy nanao fanamiana no nitranga ilay tranga fanendahana. Tetsy andanin’izay dia efa nahazo antso ihany koa ny teny amin’ny kaomisaria ary nandefa mpitandro filaminana fanampiny. Raikitra teo amin’izany ny fanenjehana ireto olon-dratsy. Mety ho izay toe-javatra izay no hitan’ny rehetra teny an-toerana, antony nampisy ilay feo hoe « fanafihana », hoy ny fanazavana. Raha ny mahakasika ity fanenjehana mpanendaka ity moa, dia fantatra fa ny iray tamin’izy ireo ihany no voasambotra, raha tafaporitsaka kosa ilay iray namany. Nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ity tratra ity hofotorana. Azo heverina fa tsy ho ela ihany dia ho voasambotra ny namany.
m.L