May ny « Golden center » tetsy Behoririka, omaly tolakandro. Fipoahana avy amina fitaovana fanaovana « soudure » tao ambany rihana no nahatonga ny loza, ary nihazo ireo tsenam-barotra an-jatony isany tao anatin’ity trano lehibe ity. Vinaniana ho an-tapitrisany maro no teti-bidin’ireo entana may.
Feon-javatra nipoaka mafy, narahana setroka mainty nijolofotra avy ao ambany rihana no nahataitra ireo olona maro, mpiantsena sy mpivarotra tao amin’ity trano lehibe fivaron-tsinoa tetsy Behoririka ity. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro teo ho eo. Raha ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpiambina an’ity tsena lehibe ity dia hoe, nisy fanitarana tsenam-barotra tao ambany rihana, ka nampiasana fanaovana « soudure ». Tsy fantatra mazava izay niseho fa nirehitra ity farany, ary nitarika « court-circuit » sy nahamay ireo karazana tariby isan-karazany tao amin’ity tsena lehibe ity. Saika entam-barotra vita amin’ny plastika ny tany ambany rihana ka poa toa izay dia nandray ny afo sy nidedaka. Taty ambony kosa, fivarotana entana elektrônika, finday sy solosaina, ary tao ihany ny koa ny fitafiana isan-karazany, izay mora may avokoa. Vetivety dia niitatra araka izany afo, nandevona ireo fivarotana an-jatony isa tao amin’ity trano ity. Nisahotaka avokoa ny olona, samy niezaka namonjy ny ainy, nivoaka ny trano. « Efa nanomboka tsy azo niainana intsony tao, noho ny setroka » hoy ny mpivarotra iray, izay tsy afa-nanoatra akory namonjy ny entany. « Izay namonjena ny aina sisa no hany natao ». Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpamonjy voina tao Tsaralalàna, nanao izay ho afany nifehy ny afo. Narahan’ny mpitandro filaminana avy eo, nandamina ny olona sy niaro ireo hany entana avotra. Amin’izao tsena faran’ny taona izao, nifanitsa-kitro ny mpiantsena sy mpivarotra eny amin’iny faritra Behoririka iny. Azo eritreriretina amin’izany ny mety hamaroan’ny olona tao amin’iny trano fivarotana ity. Tsy nisy anefa aloha ny aina nafoy nandritra ity fahamaizana nitranga teny an-toerana ity, hoy ireo mpitandro filaminana, izay mbola teny an-toerana. Hatramin’ny ora nanoratanay ihany koa dia mbola tsy maty ny afo ary miezaka mamono izany ireo mpamonjy voina. Somary nampano sarotra ihany koa izany, noho ny hasarotry ny fidirana tao amin’ity toerana ity.
Tokony hisy fanaraha-maso ataon’ny Fanjakana tokoa ny amin’itony toerana itony, indrindra fa ireo trano lehibe eo Behoririka ireo. Samy tsy misy manaraka ny fenitra tokony ho izy avokoa mantsy na ny momba ny trano, ny fivoahana ohatra raha misy loza toa izao, na ny resaka herinaratra sy ireo karazam-tariby isan-karazany. Manginy fotsiny ny fe-piaina hiainan’ireo mpivarotra ao amin’ireny toerana ireny. Amin’ny karazana loza miseho toa izao ohatra, dia ny mety voaaron’ny tranom-piantohana ny tompon’ny trano. Manangana indray izy avy eo. Saingy miala maina toy ny avy nandevin’alika kosa ireo mpanofa sy mpivarotra.
m.L