Voalavo sasatry ny miaina ! Kitapo, izay fantatra fa an’ny pôlisy mpiana-draharaha misahana ny fitandroana ny filaminana amin’ireny fiantsoan’ny taxibe ireny no nalain’ity lehilahy iray, tetsy Behoririka omaly. Nihevitra fa tsy nisy nahita ranamana kanjo efa tsikaritra ka noraisim-potsiny. Voalaza fa efa nihaodihaody tsy lavitra teo izy, ka raha vantany vao napetrak’ilay mpitandro filaminana ny kitapony, dia avy hatrany dia nalainy ary mody nataony tao anatin’ny gony efa nomaniny teny aminy. Tsikaritry ny tompon’ny entana izany fihetsiny izany ka narahina tsimoramora avy taoriana ranamana, ary nosakanana teo aloha teo. Rehefa nosavaina ilay gony dia hita tao tokoa ilay kitapo. Nosamborina teo no ho eo ihany moa ary nentina tany amin’ny birao. Marihana, hoy ny vaovao, fa efa fomba fanaon’ity mpangalatra ity izany ary heverina fa efa maro ireo nitondra faisana.
m.L