Lehilahy iray indray no niharan’ny fanendahana teny Behoririka, ny harivan’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa lasan’ireo mpanendaka ny vola tany aminy mitentina hatrany amin’ny 200 000 ariary mahery niaraka tamin’y finday tany aminy. Tsy vitan’ny nendahana fotsiny ity lehilahy ity, fa mbola notrobaran’ireo olon-dratsy sabatra teo amin’ny feny ka naratra mafy tokoa izy. Raha vao azon-dry zalahy izay nilainy, dia lasa nandeha izy ireo.
Tsy mifidy ora anaovana ny asa ratsiny intsony ny mpanendaka sy « mpisam » isan-karazany amin’izao fotoana izao. Na maraina na hariva, dia ahenoana fanendahana hatrany eto amin’ny faritry ny renivohitra. Ny tena mahavariana, hoy ny mpitazana, tsy lany tetika ireo olon-dratsy, fa mahita « fika » hatrany hangalana vola. Vavolombelona amin’izany ity olona iray niantsena teny Andravoahangy, ny alarobia heriny. Nisy lehilahy iray nifanena taminy ary nikapoka mafy ny paosiny. Rehefa izany, iny fa nisy solomaso nianjera avy amin’ny tànany ary potika ilay izy, vaky ny fitaratra. Gaga fotsiny ilay olona nifanena avy eo. Noraofin’ilay nandona mafy ny potik’ilay solomaso ary tsy niteny na inona na inona izy fa lasa nandeha. Nihevitra ilay voadona fa zavatra tsy inona akory ilay niseho. Nanohy ny diany izy. Nisy olona hafa indray anefa nanenjika azy sy niteny fa misy miantso izy. Rehefa nitodika dia akory ny hagagany, fa ilay nandona mafy azy io mitady azy io. Io farany io no nitandroka fa tsy mahalala fomba ilay nodomina. Soa aloha, fa maro ireo nahita ny fandehan-javatra ; izay samy toran’ny hehy amin’ny « fika » maloto nokasain’ireo andian’olona. Tezitra mafy ilay saika nangalana vola vidin’ny solomaso niniana nazera tamin’ny tany ary niakatra ny feony. Maro amin’izao fotoana izao ny olona mitady hahazo vola mora foana, mampitahotra ireo mpiantsena amin’ny lainga marivo tototra. Tokony samy ho mailo ny rehetra eo anoloan’izany.
r.s.