- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mandeha tsiroaroa ny mpisam, iray voasambotra

Behoririka : Mandeha tsiroaroa ny mpisam, iray voasambotra

Ny alatsinainy teo, mpanendaka iray no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny “commissariat central” Tsaralalana teny Behoririka. Finday an’ny raim-pianakaviana nandeha teny an-toerana no lasibatra tamin’izany. Tratra ambodiomby ny anao lahy. Avy hatrany moa dia nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy io. Tamin’ny fanadihadiana, hoy ny voavao, dia nanaiky ity tovolahy vao 19 taona ity fa efa ela no nanendaka. Eny amin’ny faritr’Isotry no tena fanaovany izany ary ny telefonina no hazainy amin’izany. Mandeha tsiroaroa na tsitelotelo ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny, hoy ity voasambotra ity. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny famongorana ireo mpanao sinto-mahery sy mpanendaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Misy ny fametrahana polisy tsy manao fanamiana amin’ny toerana mafampana rehetra. Misy araka izany ny vokatra azo.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity mpandenaka voasambotra ity.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser