- Publicité -
jeudi, décembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehoririka : MD ireo madama efatra mpangalatra anaty « boutique »

Behoririka : MD ireo madama efatra mpangalatra anaty « boutique »

Saika efa notetezin’izy ireo ny « boutique » eto an-drenivohitra (sary PN)

Matetika no tsy dia misy manam-po ny mpivarotra any anatin’ireny « boutique » ireny hoe mpangalatra ireto ramatoa. Voalohany amin’ny maha-ramatoa azy ireo ary manarak’izany, amin’ny maha-efa zokinjokiny azy ka raisina ho toy ny ray aman-dreny. Ao ambadik’izay anefa, ireto olona dia efa miasa anaty tambajotra ary samy manana ny anjara asany mba hanatontosana ny halatra. Ny roa mampiresaka ny mpivarotra ary ny roa ambiny maka  tsimoramora ny entana izay haranty ao amin’ilay toerana. Efa lasa hatrany ireto andian-jiovavy vao mahatsikaritra ny fahabangan’ny entana ny mpivarotra. Tamin’ity indray mitoraka ity, toerana iray tetsy Behoririka no nataon’izy efa-bavy lasibatra. Efa vita ny halatra no nampandre ny polisy ny mpivarotra. Niezaka nanenjika ny mpivarotra ary sarona ny sasany tamin’ireo mpangalatra. Natao ary ny fanadihadiana ary niaiky ny telo voalohany izay voasambotra tamin’ny heloka vitan’izy ireo. Nanoro izay misy ny namany fahefatra izay mpitazona ny entana halatra ireo farany. Voasambotra ihany koa io ramatoa io. Natolotra ny polisy misahana ny boriborin-tany fahatelo teny amin’ny fampanoavana ary dia samy nidoboka am-ponja izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Efa ela ihany no nanavaon’ireto madama ireto ny asa ratsiny ary nisy fotoana aza dia efa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny horonan-tsary izay nahitana ny halatra nataon’izy ireo. Voarakitr’ireny « vidéosurveillance » ireny ka teo no nanomboka nahafantarana azy efa-bavy. Saingy fetsy izy ireo ary tsy miverina amin’ny toerana iray. Betsaka rahateo ny mpivarotra eto an-dRenivohitra ary dia vitan’izy ireo ny mitety izany ary miovaova fitafy sy endrika mba tsy hamantaran’ny olona azy. Misy farany ihany ny ratsy ary dia voasambotra ry madama isany, tamin’ity indray mitoraka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici