- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpanendaka 3 lahy tsy ampy taona voasambotra

Behoririka : Mpanendaka 3 lahy tsy ampy taona voasambotra

Mpanendaka 3 lahy, izay vao 16 ny iray ary 17 taona ny roa, no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, teo am-panaovana ny asa ratsiny teny Behoririka, ny zoma, 13 septambra 2019 lasa teo. Polisy nanao fanamiana sivily ; izay nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra azy telo lahy. Ny iray eo aloha nibahana ilay olona hoveleziny. Ny roa kosa manokatra ilay sakaosy sy maka izay zavatra misy ao. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy no tra-tehaka ka noraisim-potsiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria ireto jiolahy ireto nohadihadiana . Nandritra izany no nahafantarana, fa tsy vao izao izy ireto no manao izao asa ratsy izao, ary amin’ilay fotoana maha be olona iny mihitsy no fanaovany ny asa ratsiny. Miaraka foana izy telo lahy ireto.  Fantatra ihany koa, fa eny amin’iny tsena akaikin’ny Building RAMARSON iny no tena toerana fiasan’izy ireo. Efa natolotra ny fampanoavana ny sabotsy teo ihany izy ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici