Tanana efa zatra mitsotra marina ! Lehilahy iray efa tsy zoviana amin’ireo polisy intsony no voasambotra indray tetsy Behoririka, noho ny resaka fanendahana, ny zoma teo. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia efa voasambotra ity ranamana ity ny tapatapaky ny volana oktobra lasa teo, noho izay resaka fanendahana izay hatrany. Tratran’ireo pôlisy mpanao fisafoana ambodiomby mihitsy izy tamin’izay fotoana izay ary nentina avy hatrany nihazo ny birao mba hatao famotorana. Taorian’ny fakàna am-bavany azy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Tsy fantatra mazava anefa izay niseho tany tamin’izay fotoana izay fa nandray fanapahan-kevitra ny hanome fahafahana vonjimaika azy ireo mpitsara mpanao famotorana. Ary niverina soa aman-tsara teny anivon’ny fiaraha-monina ingahirainy. Mazava ho azy fa niverina tamin’ny asany taloha. Tamin’ny andron’ny zoma io, tao anatin’ny fisafoana nataon’ireo pôlisy avy eo anivon’ny UIR, tsy manao fanamiana no mbola nahatratrarana azy indray mandeha indray, tetsy Behoririka. Tsy afa-niala intsony satria tena tratra ambodiomby fanindroany indray. Efa tsy vaovao amin’ireo pôlisy intsony moa ny endriny ka izay no nahafahana nanampaingotra azy mora foana indray. Voamarina rahateo izany maha tontakely mpamerin-keloka azy izay rehefa tonga teny amin’ny biraon’ny pôlisy. Haverina hatolotra fanindroany eny anivon’ny Fampanoavana indray moa ity tontakely ity, aorian’ny fakàna am-bavany azy ka asa raha mbola handefitra aminy ireo mpitsara ka hahazo fahafahana vonjimaika fanindroany indray.
m.L