- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpangalatra fiara nahafaty sinoa, fito no voasambotra

Behoririka : Mpangalatra fiara nahafaty sinoa, fito no voasambotra

Isan’ny raharaha iray nitana ny sain’ny maro satria nahakasika vono’olona, ilay fitifirana sinoa tetsy Behoririka ny andron’ny noely tamin’ny taon-dasa. Ankehitriny, nitondra vokany ny fanadihadiana rehefa voasambotry ny zandary ireo izay tompon’antoka tamin’izany. Fitolahy izy ireo no mpanatontosa ny asaratsy ary niainga tamin’ny “renseignement” avy amin’ny olon-tsotra ny fisamborana. Nisy nanome vaovao ny zandary, fa misy jiolahy hangalatra fiara etsy Tsaralalàna. Nojerena akaiky tokoa ary tena nitombina izany. Tratra ambodiomby teo ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Basy vitagasy ary koa antsy no fampiasan’izy ireo amin’ny fiarovan-tena rehefa hanao ny halatra. Ireny fiara fitaterana marika sprinter ireny ary koa mazda no tena lasibatr’ity tambajotran’olon-dratsy ity. Tsaralalàna sy Behoririka no tena fanatontosana ny halatra. Mety miitatra kely mivoaka an’Antananarivo anefa izany, arakaraka ny vaovao azon’ireo eo am-pelantanana ihany. Efa samy manana ny asany mantsy ny mpikambana eo anivon’ilay tambajotra. Misy ny mpijirika ny fiara fotsiny ary manaramaso izay toerana handehanan’izany, mba hahafahana mandamina ny drafitra hangalàna azy. Misy indray ny mpanatontosa ny fanafihana fotsiny. Ao ihany koa ny mpanova ny paozin’ny fiara sy mivarotra azy avy eo. Samy niaiky izy ireo fa mpanao halatra fiara avokoa, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy nionona teo anefa ny fanadihadiana fa mbola niitatra nankany amin’ny fikarohana izay mety ho heloka hafa izay efa vitan’izy ireo. Teo no nahafantarana fa tompon’antoka tamin’ny famanoana ilay sinoa tetsy Behoririka ity tambajotra ity. Raha hiverenana kely dia notifirina tamin’ny basy vita gasy io sinoa mpivarotra io, teo imason’ny vadiny,  tao anaty fiarany mazda. Nomarihan’ny zandary koa fa eny Ankazondandy no toerana fametrahana ny fiara sy hanovana ny paoziny ary koa ny taratasy momba azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ireto andian-jiolahy ireto.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser