Namokatra ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana teny amin’ireo faritra mahamay, malaza amin’ity sinto-mahery ity, ka anisan’izany ny teny Behoririka sy ny manodidina iny. Nisy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ry zalahy ireto, raha ny vaovao voaray. Nahatratra fito, araka izany, ny isan’ny saron’ny mpitandro, talata lasa teo, ary tovolahy iray, efa ikoizana amin’ny fangalaràna finday, voasambotra omaly. Mody mitangorongona miloka eo ireto mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy ireo, sady mitily ny hazany hatrany. Izay no tetikadin-dry zalahy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Nisy ihany ny fanampim-baovao azo avy amin’ireo tsara sitrapo, nanondro avy hatrany ireo tarehin’olona efa malaza ratsy amin’iny faritra iny, ka nahafahana nisambotra an-dry zalahy ireto. Irariana ny fitohizan’ny ezaka toa izao sy any amin’ireo faritra hafa, mba hampilamin-tsaina tanteraka ireo mpiantsena, sy olona mpandeha amin’ireny faritra voalaza ho isan’ny be olona mifamezivezy indrindra ireny.
m.L