- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpianakavy niady lova

Behoririka : Mpianakavy niady lova

Trangan-javatra hafakely no niseho tetsy Behoririka ny talata lasa teo. Tsy nijanona teo amin’ny taim-bava intsony ny fifamaliana teo amin’ireo mpianakavy fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana sy fanondrahana maloto tanaty tavimandry mihitsy. Roavavy no nihosina tanteraka vokatr’izany, olona efatra kosa no naratra ka voatery nentina tany amin’ny hôpitaly. Araka ny fantatra dia toa hoe resaka ady lova no anton’izao savorovoro teo amin’ny fianakaviana izao. Tsy vitan’ny tany an-trano intsony mantsy ny resaka fa vaky hatreny an-tokotany. Niha-niakatra ny feo. Nisy ireo tsy nahatanty ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Nitangoronan’ny olona rehetra. Tovovavy roa no nifandrigo-bolo teo an-tokotany. Tsy vitan’izay fa tonga hatrany amin’ny fifanondrahana maloto tamina tavimandry mihitsy izany. Izany fihetsika izany no nitarika ny korontana rehetra sy nivadika ho rombo, ary niafara tamin’ny fisian’ireo naratra sy ny famonjena hôpitaly. Nisy tamin’ireo nandratra moa no avy hatrany dia nisy nitondra tany amin’ny mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo hatrany. Angamba, tsy nieritreritra an’izany mihitsy ireo olon-dehibe tany aloha, raha nametraka izany lova izany tamin’ireto fianakaviana ireto. Raha tsy izany, mety ho efa nofoanany tsy ho mpandova avokoa izy rehetra. Asa tokoa raha noho ny hamafin’ny fiainana fa tsy ity fianakaviana ity irery no mikorontana tanteraka noho ity resaka lova ity. Maro ireo mpianakavy mifanakaiky no misara-bazana. Ao moa ireo mahavita mifamono, mifandatsa-drà mihitsy noho izay resaka lova izay. Raha tsy hiteny afa-tsy ilay zanaka vavy, nahavita namono ny reniny, tany Analavory, noho ny resaka tany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici