Niainga tamin’ny tsy fanajana ny fitsipiky ny fifamoivoizana an-dalambe ny zava-nitranga, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny biraon’ny pôlisy Tsaralalàna. Teo anoloan’ny pôlisy mandrindra ny fifamoivoizana izy no nandiso ny làlana tokony ho nizorany. Rehefa najanona, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany, dia tezitra mafy ary nampiaka-peo. Sosotra tamin’izany fihetsika sy fiteny izany ny pôlisy ary nitondra azy avy hatrany tany amin’ny birao foibe etsy Tsaralalàna. Rehefa tao dia nantsoina ny lehiben’ny miaramila ary nanaovana tatitra tamin’ny zava-nitranga. « Rehefa misy ny tranga toa izao, dia tsy maintsy misy hatrany ny fampandrenesana ny lehiben’ny vondrona iasan’ny mpitandro ny filaminana, alohan’ny hanokafana na tsia ny fanadihadiana momba azy » raha ny fanazavana hatrany. Rehefa nisy ny fifampiresahana dia fantatra fa navotsotra ilay mpianatra ho manamboninahitry ny miaramila ary nentin’ny lehibeny izay handray ny fepetra mahakasika izay mety ho sazy anatiny miandry azy. Misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ny samy vondron’ny mpitandro ny filamiana rehefa misy ny olony izay mandika lalàna, saingy izany dia tsy voarakitra ao anatin’ny fehezan-dalàna manan-kery eto amintsika. Isan’ny tadidy tamin’ny andron’ny tetezamita ny fisian’ny « protocole d’accord » ; izay nanipika fa tsy maintsy ny samy mitovy vondrona ihany no mifanao fanadihadiana. Taty aoriana indray dia noravaina izany ary azo atao tsara ny manadihady mpitandro ny filaminana izay nandika lalàna na tsy ao anatin’ny vondrona misy ny mpanadihady aza izy. Tamin’ity indray mitoraka ity, raha araka ny voalazan’ny tomponandraikitra, dia nisy ihany ny fampanjakana ny fandeferana, satria tsy dia manan-danja loatra ny fahadisoan’ilay mpianatra ho manamboninahitra, ankoatra ilay fanevatevany ny pôlisy mpandrindra ny fifamoivoizana. Asa kosa anefa izay sazy anatiny mety hiandry azy eo anivon’ny miaramila, raha nisy ny fandeferana avy tamin’ny pôlisy.
D.R