- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpiantsena voaroba, lasa ny volabe

Behoririka : Mpiantsena voaroba, lasa ny volabe

Nisehoana fandehana mahery vaika ny teny amin’ny faritr’i Behoririka iny, omaly vao maraim-be. Lehilahy iray saika handeha hiantsena ho eny Andravoahangy no sendra bandy telo, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia efa narahin’ny tovolahy anakitelo avy any ambany any ity lehilahy ity. Na dia efa somary mazava aza ny tamin’ny 5 ora sy sasany dia mbola somary vitsivitsy olona ihany ny teny amin’iny toerana iny. Nony tonga tao ambanin’ny tetezan’i Behoririka iny ity mpiantsena ity dia natonin’ireo mpanendaka. Nambaran’ireo olona nanatri-maso hatrany fa nitondra sabatra sy basy ireto olon-dratsy ireto ary avy hatrany dia nanambana izany tamin’ity mpiantsena ity. Vantany vao nahatazana ny fihetsik’ireo mpanendaka ireo mpivarotra dia nanidy trano avokoa, nitsoaka kosa ireo olona teo amin’ny manodidina. Afaka nanararaotra tamin’ny asa ratsiny noho izany ireo jiolahy. Fantatra fa lasa avokoa ny volabe tany amin’ity rangahy ity, vola izay nambara fa saika hangalany entana teny Andravoahangy. Vita ny asa ratsin’izy ireo, tsy nisy sahy nihetsika ireo nahita ity tranga ity. Lasa toa ireny olona tsy nanao n’inona n’inona ireny kosa ireo olon-dratsy raha ny fitantaran’ireo nahita hatrany. Soa aloha fa tsy nisy naratra na ny aina nafoy. Na izany na tsy izany, tokony ho mailo hatrany ireo mpandeha fa indrindra indrindra ireo mpiantsena, tsy hampideradera volabe eny an-dalam-be, manintona avy hatrany ny mason’ireo olon-dratsy, izay efa tsy fantatra intsony amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser