Omaly maraina be tokony ho tany amin’ny 6 ora latsaka tany, mpiantsena avy any amin’ny faritra no nendahana bandy telolahy nitondra basy. Lasa ny vola rehetra tany amin’io olona io ; izay voalazan’ny nahita fa fehezana matevinabe. Ankoatra izany, nodarohan’ireo olon-dratsy koa ilay mpiantsena.
Tamin’io ora voalaza etsy ambony io, toa efa narahan’ireto mpanendaka hatreny Ambodivona ilay lehilahy. Ho any Behoririka ny diany ary nihazo an’iny làlana avy eny Ankaditapaka iny. Làlana izay fantatry ny rehetra fa efa tomefy olona tokoa, mpivarotra sy mpandeha. Rehefa teo anelanelany teo, tonga dia nisavika ilay lehilahy nitondra gony ny roa tamin’ireo bandy. Nazerany tamin’ny tany ary nodarohany aloha. Rehefa izany, nosavainy ary dia nalainy ny vola tany ambalahan’ilay mpividy entana. Tsy tahotra tsy henatra ry zalahy nanao izany. Ilay jiolahy fahatelo nitondra ny basy, nanambana ireo rehetra teny an-toerana sady nampitahotra. Raha vao nahazo ny vola ireo roalahy dia lasa nandeha. Niverina kosa ilay nanana basy ary mbola nidaroka ilay voaendaka no sady niteny taminy handeha hiala ny toerana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa, fanina izy ary zara raha afaka namonjy fivarotana. Nobetrohan’ilay bandy io farany io ary dia raiki-tahotra ihany koa. Vetivety ireo mpivarotra manodidina dia nanidy tsena avokoa. Toerana hanjakan’ny fanendahana iny làlana iny, araka ny filazan’ireo olona eny an-toerana. Tamin’ity herinandro ity, fanindroany no nisy asan-jiolahy teny. Nampian’ny mponina izany fa in-telo isaky ny herinandro no mamely eny ny mpanendaka.
r.s.