- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Nidoboka am-ponja ireo Sinoa nisandoka ho DG

Behoririka : Nidoboka am-ponja ireo Sinoa nisandoka ho DG

Natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo Sinoa telo nisandoka ho tale jeneraly an’ny orinasa sinoa iray manana ny foibeny any Chine ary manana rantsamangaika eto Antananarivo. Tonga tao amin’ilay orinasa etsy Behoririka izy ireo ary nilaza avy hatrany fa manomboka eo dia izy ireo no mpitantana vaovao. Tsy vitan’izay fa niharan’ny fandrahonana izay rehetra tsy nitovy hevitra tamin’ireo, indrindra fa ireo izay nahatsapa fanamparam-pahefana avy tamin’ireo Sinoa telo ka namaly. « Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina teny an-toerana avy hatrany ary nisava ireo antontan-taratasy mahakasika ireo Sinoa. Hita tamin’izany fa efa lany Visa izy ireo izay mialokaloka ho mpizaha tany eto Madagasikara », raha araka ny fanazavan’ny polisy etsy Analakely izay nisahana ny fanadihadiana ity raharaha ity. « Nilaza ihany koa ireo mpiasa ao amin’ilay orinasa fa teknisianina no nohafaran’izy ireo avy any Chine fa tsy Mpitantana ny orinasa. Ankoatra izay dia tsy nisy taratasy milaza fa ireto farany no voatendry ho mpitantana ilay orinasa , ‘carte de visite’ hosoka milaza ho tale jeneraly indray no nasehon’iray tamin’ireo sinoa an’ny polisy. Nosamborina avy hatrany izy telo lahy ary efa nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka omaly », raha araka ny polisy hatrany. Betsaka ny vahiny tsy ara-dalàna no mialokaloka eto amintsika. Mendrika ny hampodiana avy hatrany ary fatorana rojovy hatreny amin’ny seranam-piaramanidina rehefa tratra, ary tsy miala eo ny mpitandro ny filaminana raha tsy miainga ny fiaramanidina mampody azy ireny. Toy ny mahazo ny tsy ara-dalàna rehetra any ivelany any ka voasambotra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici