- Publicité -
mercredi, juillet 30, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehoririka : Olon-tsotra voatifitry ny jiolahy

Behoririka : Olon-tsotra voatifitry ny jiolahy

Nirefotra ny basy ary mbola tamin’ny ora izay fivezivezen’ny olona teo Behoririka, kartie izay isan’ny tena betsaka mpifamezivezy eto an-drenivohitra noho ny fisian’ny toeram-pivarotana maro eo an-toerana. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva omaly no nisy jiolahy roa izay nifanenjehan’ny polisy. Tsy mbola voamarina na nanontany ny mpitandro ny filaminana aza, fa raha ny heno teo an-toerana dia nomanana fanafihana izy ireo. Teo amin’ny manodidina ny magazay iray lehibe rahateo no niantombohan’ilay tranga. Ny iray no voasambotra teo an-toerana ihany fa ny iray kosa mbola tafatsoaka ary hitan’ny besinimaro izany fandosirany izany. Raha hitan’ny olona ny zava-nitranga dia raikitra ny horakoraka ary betsaka ny handeha hanampy amin’ny fisamborana azy. Niova tanteraka anefa izany rehefa namoaka basy tampoka ilay jiolahy. Tsy vitan’izany, tsy nijanona teo amin’ny fandrahonana fa tena nampiasainy tokoa izany. Notifiriny ny olona iray nanaraka azy. Ireo mpanao fiara teo amin’ny manodidina ny Magro no tena nokendreny satria ireo no nampiseho fihetsika hisambotra. Olona iray izay nitondra ny fiarany mba hamboarina eo an-toerana no niantefan’ny bala. Naratra mafy ary nianjera tamin’ny tany rehefa voatifitra teo amin’ny soroka. Nahita izany ny olona dia nihemotra avokoa mba hiarovana ny ainy ary dia nalalaka nanomboka teo ny lalan’ilay olon-dratsy. Tsy lavitra teo dia nisy môtô iray izay efa niandry ilay olon-dratsy ary lasa nanao taingin-droa tamin’ny namany izy avy eo. Izany hoe efa maty paika tanteraka ilay fitsoahana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici