Sakoroka, indray no nitranga teny behoririka, omaly maraina tokony tamin’ny 10 ora teo. Polisy monisipaly no voadarokin’ny mpivarotra amoran-dalàna. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa naka entana mpivarotra amoron-dalàna ireto polisy ireto ka teo no nihatombohan’ny korontana tetsy Behoririka. Fantatra fa nisy faharatrana teo amin’ny polisy monisipaly. Araka ny nambaran’ireto mpivarotra amoron-dalàna ireto dia tsy hanaiky ny tsindry hazo lena izay ataon’ny fivondronana sy ny polisy monisipaly intsony izy ireo fa hihetsika manomboka anio.”Efa leo tanteraka izahay , aiza izahay no hitady vola hamelomanay ny vady aman-janakay” hoy hatrany ny fitantaran’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Naterin’ireto polisy monisipaly avy hatrany teny amin’ny foibe moa ireto entana ireto ary fantatra fa tsy mahazo izany ireto mpivarotra raha tsy mandoa vola.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)