- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Rangahy mpitarika sarety, nodarohan’ny polisy monisipaly, naratra mafy

Behoririka : Rangahy mpitarika sarety, nodarohan’ny polisy monisipaly, naratra mafy

Omaly antoandro , tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nisehoan’ity tranga ity, teny amin’iny faritra Behoririka iny, ampitan’ny tsena Pochard. Araka ny loharanom-baovoa voaray, dia voalaza fa , rangahy iray sahabo ho 35 taona eo , izay fantatra fa mpitarika ireny sarety ireny , no nodarohan’ny polisy monisipaly , teny an-toerana. Vokatr’izany dia , naratra mafy ity farany , noho ny vono diso mafy loatra izay nahazo azy, voalaza fa teo amin’ny tongotr’ity rangahy ity no fantatra tena voa mafy tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao voangaona tamin’ireo izay nanatri-maso teny an-toerana ,dia  nanambara izy ireo fa tsy nisy hadisoan’ity rangahy mpitarika sarety ity , velively, no niatombohan’ny korontana teny, fa ireo polisy monisipaly kosa no faly  manampatra ny fahefany . Nilaza izy ireo, fa tsy azo ipetrahan’ny sarety eny an-toerana fa manenligelina sy mibahan-toerana, maro anefa ireo olona teny no tsy nanaiky izany fandaminanana izany fa , nilaza izy ireo fa efa eo no fitadiavam-bola mahazatra azy ireo. Teo dia tezitra ireo polisy monisipaly, ka dia namono avy hatrany an’ity rangahy iray ity , izay tandrifin’ny mason’izy ireo. Araka ny vaovao hatrany , dia voalaza , fa sady novonoina ity rangahy ity no norohitina  niakatra hoao anaty fiara   nentin’izy ireo. Maro kosa ireo  nahita teny an-toerana no tsy nanaiky fa dia nihorakoraka ,ny mba hamoahana an’ity rangahy mpitarika sarety ity.” Avoahy izy e! “ hoy hatrany ny horakorak’ireto olona izay nahita. Nony farany moa dia navoakan’izy ireo ihany ity rangahy ity , saingy efa naratra mafy.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici