Tranga tsy dia fahita firy indray no tazan’ny rehetra tetsy Behoririka, omaly maraina. Fonosan-javatra nasiana fatotra, toy ireny razana fonosina ireny no nisy nanantona teo amin’ny tetezan’i Behoririka. Raha tazanina tampoka dia tena toy ireny olona nofonosina ary nahantona tamin’ny tendany ireny mihitsy. « Olona miisa roa » nakiraviravy avy eny ambony tetezana ho hitan’ireo rehetra mpampiasa lalana sy ireo mpandalo. Ankoatr’io dia mbola nasiana soratra nivandravandra niaraka taminy : « Aza atao takalon’aina ny aim-pirenena ». Seho tsy dia fahita firy tokoa, ankoatry ny hoe amin’ny fetin’ny « halloween » izay dia tsy ankalazaina be loatra eto amintsika angamba, ary indrisy fa efa dila andro maromaro izay, io tetsy Behoririka io ka nahavariana, nahatalanjona ary nahataitra ireo nahita. Avy amin’iza ary ho an’iza ny hafatra ? Maro amin’ireo fanehoan-kevitra teny an-toerana no nahenoana fa mety ho amin’ireo mpitolona ireo, izay fomba hafa hanehoan’izy ireo ny hetsika ataony indray. Mety ho hafatra sy fampitandremana avy amin’ireo mpifanandrina ihany koa anefa. Tsy fantatra intsony. Marihana fa tsy nisy nahita na nahatsikaritra ireo olona tompon’antoka tamin’ity tranga nahalatalanjona ity. Tazana teny an-toerana nandray fepetra nahakasika ity zava-nisy teny Behoririka ity ireo tompon’andraikitra ary mety niroso tamin’ny fanesorana izany. Noho izy ireo manelingelina ary mety hitera-doza ho amin’ireo mpampiasa lalana, indrindra fa ireo hiditra ny tonelina. Alaivo sary an-tsaina ange raha ianao, eo am-pamiliana fiara iny, anaty orana sy delestazy amin’ny andro alina no sendra mahita an’ireo « faty mihantona » ireo e …
m.L