- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Rindrina nihotsaka, olona telo namoy ny aina, iray mbola karohina

Behoririka : Rindrina nihotsaka, olona telo namoy ny aina, iray mbola karohina

Handeha hiasa aty an-drenivohitra no nialàn’izy ireo ny tany aminy, kanjo vatana mangatsiaka no haverina eny anivon’ireo vady aman-janany. Hatreto dia razana telo no efa hita tamin’ireo olona nianjeran’ny rindrina tetsy Behoririka, omaly. Mbola mitohy mikaroka ny olona iray ireo mpamonjy voina hatramin’ny ora nanoratanay.

Nosembanin-drahona indray ny teny Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka teo raha naheno feo nidoboka sy vovoka nijolofotra nivoaka avy tamina toerana nanaovana fanorenena iray, teo ampitan’ny magazay « Venic » ny rehetra. Ampahan-drindrina iray no nirodana tamin’ireo mpiasa am-polony maro niasa tamin’io toerana io. Vokany, mpiasa enina no indray notontan’ireo biriky sy vato tamin’ity rindrina ity : ny roa tamin’izy ireo anefa voavotry ny namany, na dia naratra aza ary nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly. Saingy ny efatra kosa : Tolotra, 28 taona, Roger 40 taona, Martin 35 taona, ary Sanga 25 taona, no voatototry ny tany tao. Nanao izay fara-heriny ireo namany nanala ny ranon-tany nanototra azy ireo, nampian’ireo mpamonjy voina izay tonga haingana teny an-toerana. Ora iray taty aoriana no hita ny iray, ilay zandriny indrindra, saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa. Ity farany, izay raha ny fantatra dia vao omaly no tonga sy nandray ny asany.

Raha mbola teo am-pikarohana ireto olona telo hafa anefa ireo mpamonjy, tokony ho adiny iray sy sasany taty aoriana no nirodana fanindroany ny ampahan’ilay rindrina efa nirodana teo aloha. Soa ihany teo fa efa mailo ireo mpamonjy ka tsy nisy naninona. Niato kely teo ny fikarohana mandra-piandry ny fanamafisana ny fiarovana ho an’ireo mpikaroka. Fotoana vitsy taorian’izay no nitohy indray ny fikarohana ireto olona telo ambiny, izay vao mainka nihamafy satria dia tsy maintsy mbola nanala ny korontana vao nianjera teo. Ora maromaro taty aoriana no hita ny vatana mangatsiaka roa. Hatramin’ny omaly hariva kosa no mbola nitohy ny fikarohana ny olona iray sisa ambiny.

Avy any amin’iny distrika Atsimondrano, Soavina iny ny roa tamin’ireto namoy  ny ainy ireto, ny iray kosa ary ilay mbola karohana dia avy any Imerintsiatosika any. Ilay zandriny indrindra ihany no mbola tsy manambady amin’izy efatra voatototry tany ireto. Ilay zokiny indrindra kosa dia namela mananon-tena sy kamboty roa, ary ny iray tamin’izy roalahy ambiny dia vao avy natao raharaha ny herinandro teo. Efa ho telo volana izay no niasan’izy telolahy tamin’ny fanombohan’ny asa tetsy Behoririka ary tokony haharitra eo amin’ny roa taona mahery eo, kanefa dia izao zava-doza izao no niseho. Tazana teny an-toerana moa ireo pôlisy avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, niezaka ny nandamina ireo olona marobe ary nametraka ny paik’ady hiarovana sy hisorahana ny mety ho fanararaotana ataon’ny sasany, ary heverina fa tsy maintsy hanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici