- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Roa lahy mpanendaka mpianatra, voasambotra

Behoririka : Roa lahy mpanendaka mpianatra, voasambotra

Mpanendaka gaigilahy  roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany faha telo etsy Antaninandro ny Zoma, 23 martsa 2017 tokony tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro teny Behoririka rehefa avy nanendaka mpianatra handeha hianatra antoandro. Manao andiany ireto mpanendaka ireto.  Efa narahan’izy ireo ity ankizy ity. Rehefa izay, ny sasany misongona azy ary ny ambiny kosa manaraka avy aty aoriana. Dimy ireo mpanendaka ka rehefa azony ny findain’ilay mpianatra dia lasa nirifatra nitsoaka ry zareo. Polisy sendra nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra izany ka nisambotra ireto olon-dratsy ireto avy hatrany. Tafaporitsaka nihazo elakelantrano ny telo, fa voasambotra kosa ny roa tamin’izy ireo. Rehefa nosavaina izy ireo dia efa tsy teny intsony ilay finday. Nilaza izy ireo fa any amin’ireo namany tafatsoaka ilay izy. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky ny heloka vitany ry zareo. Tsapa tato ho ato, fa isan’ny tena mitondra faisana amin’ny afitsok’ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy ireo ankizy mpianatra amin’izao fotoana izao. Mihaodihaody eny amin’ireo toeram-pianarana mihitsy ireo olon-dratsy mitsirika ireo mpianatra izay hoveleziny. Isan’ny mahatonga izany ny fisian’ireo mpianatra mitondra finday avo lenta any an-tsekoly; izay tokony handraisan’ireo ray aman-dreny fepetra mihitsy mba hiarovana ireo zanany. Iaraha-mahalala, fa tsy mitsitsy ny ain’ny olona hasiany  mihitsy ireo jiolahy rehefa mamely. Vao tsy ela akory, fa ny zoma lasa teo no nisy Ramatoa iray voatsindrona antsy tamin’ny andro antoandro be izao rehefa mba niezaka nanohitra ireo jiolahy saika haka an-keriny ny pôketra teny aminy, tetsy amin’ny 67 ha.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici