
Niainga tamin’ny fanahian’ny polisy, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no nitarika tamin’ny fisamborana. Mpandeha iray, tovovavy izay hizotra any Srilanka no naha-mailo ny polisy ny fihetsiny ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Tao anatin’izany no nilazany ny marina momba ny diany. « Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa saika hivaro-tena any amin’io firenena io izy ka tamin’ny tambanjotra fb no nahitany ilay asa. Nanohy ny famotorana ny Polisy ary fantara fa ramatoa iray 35 taona no mpitady ireo vehivavy gasy hiasa ho any Srilanka ary sinoa roa lahy ao ambadik’izany » raha araka ny fanazavan’ny polisy izay eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana. Nohazavaina koa fa avy any amin’ny faritany ity vehivavy saika hiondrana ity no nahita ilay asa tamin’ny facebook. Niakatra teto Antananarivo izy mba hiaona mivantana tamin’ilay ramatoa mpitady vehivavy. Nentina tany amin’ireo sinoa rehefa avy eo ary nohazaina ny asa miandry dia ny fivarotan-tena any Srilanka izany. Nanomboka teo koa no nampiantranoana ilay tovovavy tao aminy mandram-piandry ny fiondranany any ivelany. » Tamin’ny famotorana no nahafantarana fa etsy Behoririka no mipetraka ireto sinoa ireto. Ny zoma no azo teo an-toerana ny iray. Ilay namany kosa tetsy Analakely no nosamborina niaraka tamin’ilay ramatoa izay mpiray tsikombakomba tao anaty tambajotra mpanondrana olona » raha afaka ny fampitam-baovaon’ny polisy hatrany. Efa voalamina avokoa ny rehetra, hatramin’ny hotely hivantanan’ilay tovovavy rehefa tonga any Sri lanka ary koa ny trano izay hiasany amin’ny fivarotan-tena. Mahakasika ny fomba fiasa any an-toerana indray dia atao any anaty « album » ny sarin’ny vehivavy ary iny no hatolotra ny mpividy. Manodidina ny 200 ka hatramin’ny 500 dollars ny vidin’ny fivarotan-tena hataony ary mazava hoazy fa ny mpanondran’olona no migoka ny ampahany betsaka amin’izany. Nidoboka am-ponja eny Antanimora avokoa ireo olona telo rehefa natolotra ny fampanoavana. Misesy ny fanondranan’olona mankany ivelany ary ny sinoa hatrany no atidoha nikotrika izany.
D.R