Vao avy nanao fetin’ny taom-baovao sinoa mihitsy no voaendaka ireo sinoa maromaro. Avy tao amin’ny casino iray teo Analakely izy ireo ary hihazo an’I Behoririka no nipoitra tampoka avy any aoriana ny efa-dahy nandeha scooter. Nitazona basy, big-boss ary “matraque électrique” izy ireo raha araka ny fantatra. Nofafazany tamin’ny big-boss aloha ireo sinoa ary rehefa voalemy tamin’izay dia nalaina avokoa izay azo nalaina teny aminy. Lasa ny vola mitentina roa tapitrisa ariary sy ny finday ary ny firavaka, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Ny alakamisy hifoha zoma teo no nitrangan’izany fanafihana izany. Basy, bigboss, scooter ary matraque. Matetika miverimberina foana ny anaran’ireo fitaovana ireo isaky ny misy fanafihana…
D.R