Telo mianadahy izy ireo no voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny famonoana teratany sinoa, tompon’ny toeram-pivarotana iray ao amin’ny Building Ramaroson, Behoririka ary nosamborina ny faran’ny herinandro teo.
Ny alatsinainy lasa teo no nandefasana fikarohana an’ity teratany sinoa 52 ity, rehefa tsy hita sy tsy niverina akory tao amin’ny toeram-piasany ny sabotsy 22 janoary lasa teo. Voalaza fa nandeha naka entana tany amin’ny fitoeran’entan’izy ireo, tsy lavitra an’i Behoririka no nahitàna azy farany. Ny ampitson’io fikarohana, rehefa tsikaritra fa nahitàna rà tao amin’io fitoeran’entana io ary nojerena ny horonantsary mirakitra izany tao an-toerana dia fantatra fa novonoina tao ity Sinoa ity. Mpiasany roa lahy, niaraka taminy tao amin’io toerana io ihany no nahavita nanao izany, raha ny hita tamin’izany horonantsary izany.
Raha ny angom-baovao azo hatrany dia tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namoanon’ireto farany ity mpampiasa azy ity. Ary rehefa maty dia nataon’izy ireo tao anaty gony, natao tao anaty baoritra nony avy eo. Tsy nisy nahafantatra fa toy ireny entana mivoaka avy ao amin’ny fitoeran’entana mahazatra ny rehetra ireny. Posy tsy lavitra teo ihany no nitondran’izy ireo izany, ho any Ampitatafika. Tao anatin’ireny andro ratsy nandalo teo amintsika ireny no nanararaotan’izy ireo nanaovana izany. Marihina fa vola an-tapitrisany, izay napetrak’ity Sinoa ity tao amin’ny « coffre » tao amin’io fitoeran’entana io no lasan’ireo olon-dratsy tao anatin’izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa nanomboka teo ireo mpitandro filaminana.
Tsy niandry ela fa ny andro iray taorian’io nahitàna ny porofo namonoana an’ilay Sinoa io dia voasambotra ny iray tamin’ireo mpamono, sy vehivavy iray mpivarotra, izay voalaza fa atidoha sy mody niandry ny tsena tamin’ny fotoana nanaovan’iretsy farany ny asa ratsiny. Niara-nitsoaka tamin’ireo roa lahy moa ity vehivavy ity taorian’io.
Nitohy hatrany ny fikarohana ilay mpiasa iray, ka voasambotra tany amin’ny faritra Vakinankaratra iny ny tovolahy, ny zoma teo. Tamin’io andro io ihany koa no nanoroan’ireo mpamono ny toerana nanafenan’izy ireo ny razana, tao anaty lakan-drano iray tetsy Ampitatafika. Nentina natao famotorana sy natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana avokoa moa izy telo ireto, mandra-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Ny vatana mangatsiakan’ity Sinoa ity kosa efa nomena ny fikambanamben’ny Sinoa eto Madagasikara, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra tamin’io andro nahitàna azy io.
m.L