Nokasain’izy roa lahy hatao inona ary ireto « deguisement » ireto ? Mbola teny amin’izy ireo ary tsy nahafahan’izy ireo niala intsony mantsy ireto entana nangalariny ireto : karazana fitafiana niaraka tamin’irony « masque » sarina tarehin’olona vita amin’ny fingotra irony. Ny andron’ny alarobia teo tokoa mantsy dia roalahy avy nanao ny asa ratsiny tetsy amin’ny tranombarotra iray tetsy Behoririka no voasambotr’ireo pôlisy manao fisafoana. Ankevitry efa fanaovan’izy ireo ity fangalarana anaty magazay ity fa tamin’ity indray mitoraka ity fa tra-tehaka am-bodiomby ry zalahy. Sendran’ireo pôlisy ao anatin’ny fanaovana hetsika « bemidina » rahateo, ka tsy nampoizin’izy roalahy mihitsy ireto mpanao fisafoana ireto. Mazava ho azy fa nentina avy hatrany nihazon’ny kaomisaria ry zalahy ireto ho amin’ny famotorana azy. Fa ankoatra azy roalahy voasambotra tetsy Behoririka ireto dia nisy mpanendaka iray ihany koa voasambotry ny Fip tetsy Antanimora. Teo am-panendahana finday mihitsy ranamana no voapaingotr’ireo mpitandro filaminana. Efa natolotra ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa moa ingahirainy, hiatrika ny famotorana azy.
m.L