- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Vazaha namaly mpanendaka, tafatsoaka izay naratra

Behoririka : Vazaha namaly mpanendaka, tafatsoaka izay naratra

Sendra ny nahay azy tsara ireo mpanendaka telo lahy, tetsy Behoririka, ny alakamisy alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo, dia efa narahan’ireto hatrany Soarano avy any ity teratany vahiny iray sendra tratra alina. Telo lahy ireo olon-dratsy nanaraka azy tamin’izay andro izay. Nony tonga teo amin’iny lalana mizotra mankany Tsiazotafo, izay somary maizimazina, dia nanatona tamin’izay ry zalahy. Tsy fantany anefa fa efa vonona sy niandry azy ireo ity teratany vahiny ity, izay sady lava no ranjanana aok’izany. Totohondry be avy hatrany no niantefa teny amin’ny tarehin’ny iray ka nahasafotra an’ilay io. Voan’ny daka tany amin’ny mahalehilahy azy ihany ny iray, araka ny fanazavana azo hatrany. Nahita an’io ilay namany iray hafa ka vaky nandositra. Samy nitsoaka avokoa ireo saika hanendaka nony ny hita fa tsy laitra ity haza, tsy nahazo n’inona n’inona. Nizotra niadana nanohy diany kosa ity vazaha ity avy eo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser