Asa na ilay andro efa manakaiky fety ka entin’ny tsy fananana ny olona sasany fa dia manaotao foana. Vehivavy, bevohoka, manodidina ny 30 taona eo ho eo no tratran’ny olona nangalatra tamina tsena iray teny Behoririka, ny talata hariva lasa teo. Araka ny fantatra dia teo am-pangalana ilay entana hamidy, karazan’irony firavaka mivolom-bolamena irony, izy no sendra hitan’ny mpiantsena tao amin’ity fivarotana ity tampoka. Hipoka olona maro manomana ny fetin’ny faran’ny taona amin’izao fotoana izao amin’ireny toerana fivarotana ireny ka nanararaotra tamin’izany ity ramatoa ity. Voalazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana hatrany fa vantany vao azony ireo zavatra nangalariny dia nomeny olona tsy fantatra, izay fantatra fa isan’ny namany ihany. Voasambotry ny olona kosa, tetsy an-danin’izay, ilay ramatoa. Efa samy nentin-katezerana amin’ny firongatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ny olona ka saika nanampatra izany tamin’ity vehivavy. Efa latsaka ambamin’ny fivalanan-dranony mihitsy raha nandre izany, raha ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany. Noho izy bevohoka anefa dia somary nitsetra azy ny olona ka nandeha indray ny feo fa hoe hosolaina ny volony. Taorian’izay dia tapaka teo ny hevitra fa hoentina any amin’ny mpitandro filaminana ramatoa. Miandahy miambavy, ary tsy kely tsy lehibe tokoa amin’izao ireo mirona any amin’ny asa fangalarana. Mila fahamailona tanteraka, indrindra fa eny amin’ireo toerana be olona.
m.L