Roa indray no voasambotra tamin’ity indray mitoraka ity rehefa nokarohina nandritra ny tapa-bolana. Toeram-pivarotana kojakojan-damaody iray no lasibatra ary najifa ny vola tao anatin’ny « caisse ». « Andiam-behivavy maromaro no miara-mitsofoka anaty magazay izay matetika eny Behoririka hatrany. Ny sasany amin’izy ireo mody manontany vidin’entana nefa izany dia entina handrebirebena ny mpivarotra. Ny hafa kosa efa manakaiky ny fitoeram-bola ao amin’ilay fivarotana. Vao mihetsika eo amin’ny toerany ilay mpivarotra dia alain’izy ireo ny vola ao anatin’izany ka rehefa azony izany dia mody mivoaka tsirairay ao amin’ilay toeram-pivarotana ireo jiovavy », raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Tsy vitan’ny mpivarotra ihany no lasibatr’ireto andiam-behivavy fa ataon’ireo mitondra faisana ihany koa ny mpividy. Toy izao indray ny fanaony, raha araka ny fanazavan’ny polisy : mody mitankosina amin’ilay mpividy sy liana amin’ny entana amidy izy ireo ka sady mangarom-paosy na mangarona poketra na kitapon’ilay olona mijery zavatra ao anatin’ilay toerana. Izany hoe mety mahavita poa-droa ao anatin’ny fotoana fohy ireo olon-dratsy indraindray. Nisy farany ny ratsy nataon’ireo satria sendra ny toeram-pivarotana nisy « caméra de surveillance ». Naverin’ny tompon’andraikitra nojerena izany ary teo no tsikaritra ny fisian’ireo vehivavy maromaro. Natolotra ny mpanao fanadihadiana ny horonan-tsary. Araka ny fiteny fa ny mpanao ratsy dia tsy maintsy miverina eo amin’ny toerana nanatontosany izany. Iny tokoa fa tsikaritra teo Behoririka izy roa vavy na dia tapa-bolana taty aoriana aza. Nosamborina ary samy niaiky ny helony. Tsy voalohany no nisy fandrobàna nataon’ny vehivavy toy izao teny an-toerana. Efa betsaka ireo nigadra fa mbola betsaka koa ny jiovavy miriaria eny an-toerana.
D.R