Dimy tamin’ireo andian-jatovo sy ankizy manao ny asa ratsiny eny amin’iny faritra Behoririka sy ny manodidina iny indray no voasambotra ny faran’ny herinandron’ny paka lasa teo. Voalazan’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa indrindra ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny tokoa mantsy, fa isan’ireo toerana arahina maso manokana izany faritra iny. Izany dia noho ny fisian’ireo andian-jatovo maromaro manendaka sy mangarom-paosy, izay tena mampikolay ireo mpiantsena, mpivarotra ary ireo olona mpandalo mindrina iny lalana iny. Efa misy paik’ady manokana nentin’ny avy eo anivon’ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo, entina manara-maso azy ireo araka izany, ka nahazoana izao vokatra izao. Araka ny fanazavana azo hatrany dia « tazana maro tokoa izy ireo nihaodihaody teny amin’iny manodidina tamin’io faran’ny herinandon’ny fety io, ka raha vantany vao mahita hirika dia manao ny asa ratsiny ». Andiany maromaro izy ireo no « miara-miasa », ka ny sasany mody mibahana izay lasibatra, ary ny hafa maka izay azo alaina rehetra eny amin’ity farany. Anisan’ny tratra am-bodiomby tamin’izany ny tovolahy iray, azo inoana fa isan’ny lehiben’izy ireo. Tafaporitsaka kosa moa ny ambiny. Tsy niandry ela anefa dia voasambotra ihany izy ireo, izay miisa efatra, rehefa natoron’ity tra-tehaka ny misy azy ireo. Manodidina ny 15 taona eo ho eo ny zandriny indrindra ary 24 taona no zokiny indrindra. Raha ny tatitra hatrany dia samy mipetraka eny amin’iny faritra Anosizato iny avokoa ry zalahy ireto, ary tonga hatrany Behoririka manao ny asa ratsiny. Efa samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa moa izy ireo. Nalefa eny Anjanamasina kosa ireo tsy ampy taona.
m.L