- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririrka : Rangahy hita faty teo amoron-dalana

Behoririrka : Rangahy hita faty teo amoron-dalana

Ny alakamisy vao maraim-be dia efa nitangorona ny olona tetsy akaikin’ny farihin’ny Behoririka. Tovolahy iray efa mivalampatra no hitan’ izy ireo nitsotra teo amoron’ny arabe. Araka ny fantatra dia mpikarama mibata entana eny an-tsena no antom-piveloman’ity lehilahy ity. Raha ny fitantaran’ny mahafantatra azy dia mpisotrosotro rehefa hariva ity farany ary misy mihitsy aza olona nahita azy io ny alarobia hariva, ka nahatsikaritra ny tsy fetezan’ny fahasalamany.

Tsy nisy ratra moa na vono teny amin’ity razana ity fa tao antin’ny torimaso no nipaohan’ny fahafatesana azy. Marihina fa io maraina nahafatesany io ihany dia efa tonga teny an-toerana avokoa ny fianakaviany akaiky ary nanampy ireo tompon’ andraikitra nitondra ny razana teny amin’ny tranom-paty teny amin’ny HJRA tetsy Anosy. Ny zavatra ohatra an’izao moa dia mateti-pitranga ihany , tsy vitsy tokoa amin’ ireo mpatory an-tsena matetika no tra-doza ka maty tampoka noho ny tsy fahasalamana sy ny fisotroana alikaola, ka miteraka ny fahafatesana tampoka. Ny toerana hatoriana koa moa tsy zarizary ka eo ny hatsiaka izay misovoka tampoka refeha hadiva ho maraina iny.

Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici