Niaina lava tao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tebiteby tato ho ato ny kaominina ambanivohitra Bejofo ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka .Ny fakana ankeriny renim-pianakaviana iray sy ny fanafihana tanana no tena nahoraka ary efa sarona ka nampidirina amponja moa ireo nahavanona ny loza . Birao hiasan’ireo zandary (Poste fixe)no napetraka ny Asabotsy faha 22 jolay 2016 izay natrehan’ny talen’ny kabinetran’ny faritra Alaotra Mangoro ,ny sekretera jeneraly ny prefekitiora ary ny lefitry ny lehiben’ny zandary avy eto Ambatondrazaka sy ny ben’ny tananan’ny Bejofo Atoa Ranaivo Jean baptiste. Ny vahoaka ao Bejofo sy ny kaominina no niantoka ny vola nanaovana ny trano izay misy efitra 5 izay hipetrahan’ireo zandary ka ny GP2 Ramahefarimanana no hitarika ireo zandary. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny zandary dia hiovaova ireo zandary ireo araka ny asa tanterahany avy ka nanentanany ny mponina hiara-hiasa aminy .Nisaotra sy velombolo ny vahoakan’i Bejofo fa afaka miaina ampilaminana amin’izay manomboka izao
Janus R