- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversBejofo Ambatondrazaka : Notafihan’ny jiolahy ny tanana, olona 4 no voatifitra

Bejofo Ambatondrazaka : Notafihan’ny jiolahy ny tanana, olona 4 no voatifitra

Na dia mbola tamin’ny 7 ora hariva tany ho any aza, dia sahan’ireto andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto ny nanafika trano fivarotana iray tao amin’ny tananan’ny Bejofo distrikan’Ambatondrazaka ny harivan’ny faha 12 Marsa 2016 teo. Olona 4 aloha no fantatra fa voatifitra tamin’izany ary efa nahazo fitsaboana avokoa, tsy nisy kosa ny namoy ny ainy fa ny volabe no nanjavona, mandeha ny fanadihadiana. Toa saika ahenoana fanafihana matetika raha ny tanana’i Bejofo, izay mandry tsy lavoloha ireo vahoaka ao anatin’ny kaominina. Miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka ny aty Alaotra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao ka mitombo ny mpanao asa ratsy toy ny soloky, ny vaky trano ny halatra akoho amam-borona.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici